<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J.R. Ahle</author>
<lyrics>[V1]
 Ry Jesosy Tomponay !
 Indreto izahy mivory,
 Nefa tsy mahay mandray
 Izay ambaranao akory :
 Ka iraho ny Fanahy
 Mba hanampy sy hitahy.

[V2]
 Maizin-tasina izahay,
 Fa taranaka mpanota ;
 Simba ny fanahinay,
 Tena voasoron'ota,
 Tompo tsara ô, tongava,
 Aposahy ny mazava.

[V3]
 Ry Mazava lehibe,
 Taominao ny fo malaina ;
 Tairo mba hifoha re,
 Ka handray ny tenin'aina ;
 Ny fivavakay valio,
 Ny ataonay mba tahio.</lyrics>
<title>Ry Jesosy Tomponay! FFPM217</title>
<hymn_number>217</hymn_number>
</song>